Location via proxy:   [ UP ]  
[Report a bug]   [Manage cookies]                

Ny gazela (Gazella) dia sokajim-biby misy nono, fianakaviana ao amin’ ny Bovidae, zana-pianakavian’ ny Antilopinae, miaina any amin' ny lemaka any Afrika sy Azia.

Gazela

Antsoina hoe "gazela" ny karazana rehetra amin’ io sokajy io, fa ny karazany hafa ivelan' io sokajy io koa dia mitondra an' io anarana io.

Ny karazana amin' ity sokajy ity dia antilôpa kely, mahia, kinga ary haingam-pihazakazaka be. Ny sasany dia afaka mahatratra 100 km/h mahery amin' ny halavirana an-jatony metatra na mihazakazaka amin' ny hafainganam-pandeha 90 km/ora amin' ny halavirana 30 ka hatramin' ny 80 km ary manana fahaizana mampifanelanelana ny hazakazany amin' ny tsambikim-be. Ny ankamaroan' ireo gazela ireo dia hita any amin' ny fatrana any Afrika, any Azia Atsimo ary any Sahara.

Izy ireo dia biby mpihinana zavamaniry mandinika; mihinana ahitra, ravin-kazo. Ny gazela sasany dia mety tsy misotro rano mandritra ny fotoana maharitra.

Jereo koa

hanova