Rosia
I Rosia na ny Federasionan' i Rosia dia fanjakana federaly sady firenena ngeza indrindra eto an-tany, manana mponina miisa 142 tapitrisa any ho any araka ny fanisam-bahoaka natao tamin' ny taona 2007. Misabaka eo amin' i Eorôpa (25,3 %n' ny fivelarany) sy i Azia Atsinanana (74,7 %) izy. Ny firenena rosiana dia manana velarana 17 tapitrisa km2 (indroan' i Etazonia ary in-30n' i Madagasikara) izany. Manana faritr' ora iraika ambin' ny folo izy. Ny renivohiny dia i Môsko, ny fiteny rosiana no fiteny ôfisialy any ary ny robla no sandam-bola ampiasainy. Atao hoe Россия / Rossiya na Российская Федерация / Rossiyskaya Federatsiya izy amin' ny fiteny rosiana.
Российская Федерация ((ru)) | |||||
Россия ru | |||||
Federasionan'i Rosia ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : tsy misy | |||||
Teny ofisialy | fiteny rosy1 | ||||
Renivohitra | Môsikao 55° 45' N, 37° 42' E | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Moskva | ||||
Fitondrana sy governemanta - Président - Président du gouvernement |
Repoblika firenena federaly Vladimir Poutine Dmitri Medvedev | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 1 17 075 400 km² 0,5% | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2009) - hakitroka |
faha 8 141 800 000[1] mpo. 8,3 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Rosy, rosianina | ||||
IDH (2008) | (mitombo) 0,802[2] (ambony) 67 | ||||
Sandam-bola | Robla (RUB )
| ||||
Faritr'ora | UTC +3 hatramin'i +12 | ||||
Hiram-pirenena | {{{hymne_national}}} | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+7
|
Na dia misy ranomasina maromaro aza ny manodidina an' i Rosia dia manana toetrandro an-kôntinenta amin' ny tany mangatsiaka sy sarotra ipetrahan' ny olona izy.
Betsaka ny harena an-kibon' ny tany any Rosia: misy ny solitany sy ny vato sarobidy. Mivoatra be ny orinasa mikasika ny fanamboarana sambondanitra sy ny fanamboarana basy. Ny fanamboarana sambondanitra no nahavoalohany an' i Rosia izay nenti-nizaha ny habakabaka tamin' ny taona 1957.
Ny Repoblika Sôsialista Federativan' i Rosia (RSFR) no repoblika lehibe indrindra tao amin' ny Firaisana Sôvietika.
Tamin' ny faran' ny taona 1991 dia nisy firenena vaovao dimy ambin' ny folo avy amin' ny Firaisana Sôvietika taloha, isan' izany i Rosia, izay nandova ny 3/4n' ny tanin' ny Firaisana Sôvietika taloha (izany hoe 17 tapitrisa km²) sy ny antsasaky ny mponiny sy ny 2/3n' ny orinasany ary ny antasaky ny toeram-pamboleny.
Tantara
hanovaFiandohana
hanovaNy fototry ny tantaran' i Rosia dia nanomboka tamin' ny fotoana niforonan' ny vahoaka slava, vondrona iray tany Eorôpa teo anelanelan' ny taonjato fahatelo sy fahavalo taor. J.K.[3] Ny Vikingy sy ny taranany dia nanorina ny fanjakana slavônianina voalohany tao amin' ny Rosin' i Kieva (rosiana: Киевская Русь / Kievskaja Rus' izany hoe "Fanjakan' i Kiev") tamin' ny taonjato faha-9. Nekeny ny kristianisma avy amin' ny Empira Bizantina tamin' ny taona 988.[4] Ity endriky ny kristianisma ity dia niantraika tamin' ny kolontsaina rosiana. Rava ny Rosin' i Kiev tamin' ny farany ary nizarazara ho firenena madinika. Ny fanjakana mandroso indrindra tao amin' ny Rosin' i Kiev dia ny Diokea Lehiben' i Môsko. Io sehatra io dia hery lehibe indrindra tao anatin' ny fampiraisana an' i Rosia taty aoriana sy tamin' ny ady amin' ny Foko Volamena avy any Azia. Nitombo tsikelikely ny fifehezana ny faritra manodidina an' i Môsko izay naka ny fiainana ara-kolontsaina sy ara-pôlitikan' ny Rosin' i Kieva.
Nandritra ny taonjato faha-18 dia nanitatra ny sisin-taniny tamin' ny alalan' ny fandresena sy fitetezana ny firenena ho lasa Empira Rosiana ilay fanjakana fahatelo lehibe indrindra teo amin' ny tantara. Nipongatra avy tao amin' ny Fitambaram-panjakan' i Pôlônia-Litoania any atsinanana mankany amin' ny Ranomasimbe Pasifika sy Alaska izy. Io empira io dia nofehezin' ny emperora antsoina hoe Tsar.
Nanjaka tao Rosia i Petera Lehibe (rosiana: Пётр Великий / Piotr Velikiy) nanomboka tamin' ny taona 1689 ka hatramin' ny taona 1725. Namindra ny renivohitra avy any Môsko ho any amin' ny tanàna iray antsoina hoe Saint-Peterbourg (rosiana: Санкт-Петербу́рг / Sankt-Peterburg) i Petera. Nataony ho maoderina kokoa tamin' ny fomba maro ny fiaraha-monina rosiana. Nanomboka nanamboatra sambo ho an' ny tafika rosiana ny governemanta.
Nanomboka tamin' ny taona 1904 ny Ady Rosiana-Japôney ary nifarana tamin' ny taona 1905 ka i Japàna no nivoaka mpandresy tamin' ny ady. Ny faharesen' ny Rosiana dia isan' ny nampisy ny revôlisiôna taty aoriana.
I Rosia tao amin' ny Firaisan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika
hanovaTamin' ny Ôktôbra 1917, ny Bôlsevika (antsoina hoe "Kômonista"), izay voatariky ny hevitr' i Karl Marx sy Vladimir Lenin, dia nandray ny firenena ary namono ny Tsar sy ny olona hafa nijoro nanohitra azy ireo. Vao nandray ny fahefana ry zareo, dia namorona ny fanjakana kômonista voalohany ny Bôlsevika nentin' i Vladimir Lenin sy Leon Trotsky.
Hatramin' ny taona 1920 ka hatramin' ny 1950, i Josef Stalin no mpitarika mpanao didy jadona tao amin' i Rosia Sôvietika, ary nopotehiny avokoa izay rehetra nanohitra ny fitondrany, anisan' izany ny fananan' ny tantsaha sy ny mpivarotra. Olona an-tapitrisany no namoy ny ainy ary maty tao anatin' ny mosary vokatr' izany. Nesorin' i Stalin ihany koa, na "nodiovina", ny miaramila rehetra izay nivadika taminy, ary maro no maty na nalefa tany amin' ny toby famonjana, na gulag, nandritra ny taona maro. Na dia tany amin' ny gulag aza dia maro ny voafonja maty.
I Rosia Sôvietika sy ny Nazi dia nanaiky ny tsy hifanandrina tamin' ny taona 1939. Tamin' ny volana Jona 1941, dia nanapaka ny fifanarahana i Alemaina ary nanafika tamin' ny alalan' ny Operation Barbarossa. Anisan' ny Ady Lehibe Faharoa io fanafihana io. Ny ady dia naharitra tany Eorôpa hatramin' ny volana Mey 1945, ary olona 200 tapitrisa mahery no namoy ny ainy nandritra izany fotoana izany. Na dia betsaka aza ny Rosiana namoy ny ainy vokatr' io ady io, i Rosia no iray tamin' ny firenena nandresy ka lasa firenena matanjaka eran-tany.
Tamin' ny taona 1922 ka hatramin' ny 1991, i Rosia no faritra lehibe indrindra tamin' ny Firaisana Sôvietika (na Firaisan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika -- FRSS). Indraindray ny olona dia nampiasa ny anarana hoe "Rosia" hanondroana ny Firaisana Sôvietika manontolo, na indraindray "Rosia Sôvietika". I Rosia dia iray amin' ireo Repoblika Sôsialista Sôvietika miisa 15. Ny tena anaran' io repoblika io dia "Repoblika Sôsialista Federativa Sôvietika Rosiana" (RSFSR).
Nanjavona ny Firaisana Sôvietika tamin' ny fiandohan' ny taona 1990. Naka ny toeran' ny Firaisana Sôvietika tao amin' ny Firenena Mikambana i Rosia.
Rosia omaly
hanovaI Boris Yeltsin dia voafidy ho filohan' i Rosia tamin' ny volana Jona 1991, tamin' ny fifidianana filoham-pirenena voalohany teo amin' ny tantaran' i Rosia. Nisy ny fanavaozana goavana natao, anisan' izany ny fizakan-tena sy ny lalàna momba ny varotra.[5] Ny "Fitsaboana Fanairana" dia natolotr' i Etazonia sy ny IMF.[6] Nisy krizy ara-toekarena lehibe taorian' izay. Very 50 % ny harinkarena faoben' i Rosia tanelanelan' ny taona 1990 sy 1995.
Ny tsy fampiankinana dia nanjary namindra ny fifehezan' ny orinasa avy amin' ny fanjakana mankany amin' ny olon-tokana manana fifandraisana ao amin' ny rafitra anatin' ny governemanta. Maro tamin' ny mpandraharaha mpanankarena vao haingana no namoaka vola an' arivony tapitrisa sy fananana any ivelan' ny firenena. Ny fihakelezan' ny herim-panjakana sy ny toekarena dia nitarika ny fandravana ny asa sôsialy. Olona an-tapitrisany no nanjary nahantra, 1,5 % ny fahantrana tamin' ny vanim-potoanan' ny Sôvietika, teo amin' ny 39-49 % tamin' ny tapaky ny taona 1993. Ny taona 1990 hatramin' ny 1999 dia nahitana kolikoly sy fandikan-dalàna faran' izay henjana, fiakaran' ny andian-jiolahy ary heloka bevava mahery vaika.
Nandritra ny ady tamin' ny taona 1990 dia maro ny fifandonana mitam-piadiana tao Kaokazy Avaratra. Nisy ny ady an-trano sy ny antokom-pivavahana islamista maro samihafa. Hatry ny fanambaràn' ny Tsetsena ny fahaleovan-tenany tamin' ny fiandohan' ireo taona 1990, dia nisy ady teo amin' ny antoko mpikomy tsetsena sy ny miaramila rosiana. Ny fanafihan' ny mpampihorohoro ny sivily dia nahatonga fahafatesan' olona aman-jatony. Ny tena mampiavaka azy ireo dia ny krizin' ny takalon' aina tao amin' ny teatran' i Môsko sy ny fahirano tany Beslan.
Nandray andraikitra tamin' ny fandoavana ny trosa ivelan' ny Firaisana Sôvietika i Rosia, na dia atsasaky ny isan' ny mponina tao amin' ny Firaisana Sôvietika fotsiny aza ny isan' ny mponiny tamin' ny fotoana nandravana ny Firaisana Sovietika. Ny tetibola tsy voalanjalanja tamin' izany fotoana izany dia nahatonga ny krizy ara-bola rosiana tamin' ny 1998 izay nampitontongana ny harinkarena faoben' i Rosia.[7]
Tamin' ny 31 Desambra 1999 dia nametra-pialana ny filoha Yeltsin. Nomena an' i Vladimir Putin, izay vao voatendry ho praiminisitra, ny asan' ny filoham-pirenena. Nandresy tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny 2000 i Vladimir Putin. Nampitsahatra ny fikomian' ny Tsetsena haingana izy, fa mbola misy herisetra ihany eny amin' ny faritra avaratra ao Kaokazy tsindraindray.
Ny vidin-tsolika lafo ary ny vola kely hery dia narahin' ny fiakaran' ny filàna eo an-toerana, ary ny fividianana entana sy ny famatsiam-bola dia nanampy ny toekarena hitombo nandritra ny sivy taona misesy. Izany zavatra izany dia nampisondrotra ny fari-piainana sy nampitombo ny lanjan' i Rosia eo amin' ny sehatra iraisam-pirenena. Na dia voatsikeran' ny firenena tandrefana[8] aza ny fiovana nentin' i Putin, dia nahatonga fivoarana sy fahamarinan-toerana ny fitondrany. Izany zavatra izany dia nahatonga azy halaza any Rosia.[9]
Tamin' ny volana Marsa 2008 dia lany ho filoham-pirenenan' i Rosia i Dmitry Medvedev, ary voatendry ho praiminisitra i Putin. Niverina ho filoham-pirenena i Putin tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny 2012 ary notendreny ho praiminisitra i Dmitry Medvedev.
Rosia ankehitriny
hanovaHatramin'ny nahatongavan'i Putin mpanao didy jadona teo amin'ny fitondrana dia nivoatra tsikelikely ho lasa jadona i Rosia. Io firenena tia ady io dia niavaka indrindra tamin’ny ady nanafihany tany Chetchenia, Jeorjia (2008), ary Okraina (hatramin'ny 2014). Nanomboka tamin'ny 2022, nofaritana ho didy jadona tanteraka i Rosia, ary tanteraka ny fanenjehana ireo mpikambana ao amin'ny mpanohitra.
Endri-javatra manokana: Fanafoanana ny mpanohitra, famonoana sy fanapoizinana mpanao politika mpanohitra, ady amin'ny herisetra, heloka bevava maro.
Jeôgrafia
hanovaNy renivohitr' i Rosia sy ny tanàna lehibe indrindra dia i Môsko. Ny tanàna lehibe faharoa dia St. Petersburg, izay renivohitr' i Rosia tamin' ny taonjato faha-18 sy faha-19.
Tanàna rosiana misy olona maherin' ny iray tapitrisa no amin' ny filaharany:
- Môsko
- Saint Petersburg
- Novosibirsk
- Yekaterinburg
- Nizhniy Novgorod
- Samara
- Omsk
- Kazan
- Ufa
- Chelyabinsk
- Rostov amin'i Don
- Krasnoyarsk
- Volgograd
Ny faritra andrefana amin' i Rosia no misy an' i Kaliningrad, izay nantsoina taloha hoe Königsberg. Ny faritra atsinana amin' i Rosia dia ny nosy Diomeda, 35 km miala an' i Chukotka (Rosia) ary 35 km avy any Alaska (Etazonia). Ny faritra atsimo no an' i Kaokazy, eo amin' ny sisintanin' i Azerbaijàna. Ny faritra avaratra indrindra dia i Franz Josef Land any amin' ny Ranomasimbe Arktika, 900 km avy any amin' ny Tendrontany Avaratra.
Jereo koa
hanovaFirenena ao Azia:
Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.
Firenena ao Eorôpa:
Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.
Kôntinenta eto an-tany
Tsiahy
hanova
|