Location via proxy:
[ UP ]
[Report a bug]
[Manage cookies]
No cookies
No scripts
No ads
No referrer
Show this form
Aller au contenu
Menu principal
Menu principal
déplacer vers la barre latérale
masquer
Fikarohana
Fandraisana
Wikipedia finday
Pejy rehetra
Pejy vaovao
Takelaka kisendra
Fikambanana
Toerana iraisana
Toerana iombonana
Non-malagasy speakers
Handray anjara
Fampidirana
Fiovana farany
Ny vaovao
Handefa takelaka
Kianjam-pasika
Fanoroana sy fitsipika
Renipejy
Fototra dimy
Fanamboarana takelaka
Tadiavo
Tadiavo
Apparence
Fanomezana
Hamorona kaonty
Hiditra
Fitaovana manokana
Fanomezana
Hamorona kaonty
Hiditra
Pages pour les contributeurs déconnectés
en savoir plus
Fandraisan'anjara
Pejin-dresaka
Fanovana
Adventisma
(fizarana)
Ajouter des langues
Lahatsoratra
dinika
Malagasy
Hamaky
Ovaina
Hanova ny fango
Hijery ny tantara
Fitaovana
Outils
déplacer vers la barre latérale
masquer
Actions
Hamaky
Ovaina
Hanova ny fango
Hijery ny tantara
Général
Pejy mirohy eto
Novaina
Handefa rakitra
Pejy manokana
Fampahalalana mikasika ny pejy
Obtenir l'URL raccourcie
Télécharger le code QR
Amin'ny tetikasa hafa
Zavatra Wikidata
Apparence
déplacer vers la barre latérale
masquer
Fampitandremana :
Tsy niditra tamin'ny kaontinao ianao. Ho hitan'ny vahoaka ny adiresy IP-nao raha manova inona na inona ianao. Raha
miditra amin'ny kaontinao
ianao dia ho anisan'ny tombontsoa anananao ny fanaovana ny fiovana amin'ny solonanaranao.
Fanamarinana anoherana ny spam.
Aza
fenoina ity!
== Tantaran' ny adventisma == Ny tantara sy ny maha izy azy ara-panahin' ny fihetsiketsehana adventista dia nanana loharano nipoirana maro samihafa tao amin' ny [[Fanavaozana pôtestanta|fanavaozam-piangonana]] (refôrmasiôna) [[Loteranisma|loterana]], ny [[batisma]], ny [[pietisma]] ny [[metôdisma]] ary ny [[fifohazam-panahy]] isan-karazany. Izy ireo tamin' ny voalohany dia samy tao amin' ny andiana mpikaroka [[Literatiora apôkaliptika|apôkaliptika]] izay isan' ny nampiavaka ny fiafaran' ny taonjato faha-17 sy ny taonjato faha-18 ary ny taonjato faha-19. === I William Miller === Nisy ny faharisihana sy ny fahalianana handinika sy hianatra ny soratra faminaniana ao amin' ny [[Baiboly]] miresaka ny amin' ny [[Fiavian' i Kristy fanindroany|fiavian' i Kristy]] amim-boninahitra izay hita manerana ny tantaran' ny [[prôtestantisma]]. Ny hetsika adventista amerikana dia niforona manodidina an' i [[William Miller]] izay tantsaha nampiana-tena, mpamaky ny [[Baiboly]] nahafatra-po, sady mpivavaka tao amin' ny [[Batisma|fiangonana batista]]. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-18 tao [[Eorôpa]], izany fahalianana ny amin' ny fiavian' i Kristy izany dia nanjary lehibe dia lehibe ka niteraka ireo toriteny mamohafoha ny finoana, indrindra ny toritenin' i William Miller izay nitory amin' ny fomba mazava ny fototra iorenan' io hetsika io sady nanome azy ny firehany ara-potokevitra. Niezaka nanao fivoasana ara-tarehimarika ny [[Bokin' i Daniela]] (Dan. 8.14) sy ny [[Apôkalipsin' i Joany|Bokin' ny Apôkalipsy]] (Apô. 14.9-12) i William Miller ka nanatsoaka hevitra fa i Kristy dia hiverina indray eto an-tany amin' ny taona 1843 sady [[Arivo taona (kristianisma)|hanjaka arivo taona]] miaraka amin' ireo olom-boafidiny. Izany fiaviana fanindroan' i Kristy eto an-tany izany no atao hoe "[[parosia]]". I William Miller sy ireo mpanaraka azy no nanambara fa hiverina indray aty an-tany eo anelanelan' ny 21 Marsa 1843 sy 21 Marsa 1844 i Kristy. Tsy tanteraka anefa izany. Atao hoe "[[Fahadisoam-panantenana voalohany]]" izany tsy fahombiazan' ny faminaniany izany. Nihevitra ireo mpanaraka natoky an' i William Miller fa fahadisoam-pikajiana no niteraka izany. Ireo mpanaraka an' i Miller dia niisa eo anelanelan' ny 50 000 sy 100 000. Maro anefa ireo niala ny fikambanana tamin' izany fotoana izany. Novan' i Miller indray ny daty hiavian' i Kristy ka ny 22 Ôktôbra 1844 izany. Tsy tanteraka koa izany faminaniana izany ka niteraka ilay atao hoe "[[Fahadisoam-panantenana lehibe]]". Maro ireo Adventista nandao ny fananany ka lasa fihomehezan' ny olona ilay fikambanana tamin' ny fahatongavan' ilay andro nandrasana nefa tsy nisy zava-nitranga. Maro ireo mpanara-dia an' i Miller izay niala aminy. Roa ny fanapahan-kevitry ny mpanaraka an' i Miller ka ny sasany niverina tamin' ny fiangonana niaviany avy fa ny hafa kosa niova anarana hoe [[American Millenial Association|''American Millenial Association'']] (ara-bakiteny: "Fikambanan' ny Arivo taona Amerikana") ka ny mpikambana ao amin' ny dia natao hoe ''[[Evangelical Adventis]]'' ("Adventista ara-Pilazantsara") taty aoriana. Izay mbola nitoetra taminy dia nizara ho antoko efatra. === Ny Albany Conference === ==== Ilay fihaonambe ==== Ny [[Albany Conference]] (“Kônferansa tao Albany”) izay natao tamin' ny taona 1845 dia nahavory solontena 61 izay nantsoina hamaritra ny ho fizotra sy ny ho tena hevitry ny hetsika milerita. Niova anarana ho Adventists ("Adventista") na Second Adventists ("Adventista Faharoa") ireo [[Milerisma|Milerita]] (izany hoe ireo mpanaraka an' i [[William Miller|Miller]]). Na dia izany aza dia tsy nifanaraka ireo iraka ireo momba ny zavatra maro mahakasika ny [[teôlôjia]]. Nisy vondrona efatra niforona taorian' ilay kônferansa, dia ny [[Evangelical Adventists]] ("Adventista ara-Pilazantsara"), ny [[Life and Advent Union]] ("Fiainana sy Fiombonana Adventista"), ny [[Advent Christian Church]] ("Fiangonana Kristiana Adventista") ary ny [[Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito|Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito]]. ==== Ny American Millennial Association ==== Ny vondrona lehibe indrindra dia ny [[American Millennial Association]] ("Fikambanan' ny Arivotaona Amerikana"), ny ampahany tamin' io no lasa [[Evangelical Adventist Church]] ("Fiangonana Adventista ara-Pilazantsara") taty aoriana<ref name=":0"><small>Mead, Frank S; Hill, Samuel S; Atwood, Craig D. "Adventist and Sabbatarian (Hebraic) Churches". ''Handbook of Denominations in the United States'' (12th ed.). Nashville: Abingdon Press. pp. 256–76.</small></ref>. Miavaka amin' ny fiangonana adventista rehetra izy noho izy nino ny fisian' ny [[afobe]] mandrakizay sy ny fahatsiarovan-tena ao amin' ny fahafatesana. Nihanihena ny isan' ny mpivavaka ao aminy ary tsy hita intsony tao amin' ny ''United States Census of Religious Bodies'' (fanisana ireo fiangonana misy any [[Etazonia]]) ny anarany tamin' ny taona 1916. Mihena dia mihena izy ka saika tsy misy amin' izao fotoana izao. Ny lahatsoratra nataony dia ny ''Advent Herald'' ("Mpitondra hafatry ny Advento")<ref><small>''Adventistarchives.org''. Notsidihina tamin'ny 26/06/2013 ([http://www.adventistarchives.org/documents.asp?CatID=146&SortBy=1&ShowDateOrder=True Tahiry] {{Wayback|url=http://www.adventistarchives.org/documents.asp?CatID=146&SortBy=1&ShowDateOrder=True |date=20090905011146 }})''.''</small></ref>, ka i Sylvester Bliss no editora hatramin' ny nahafatesany tamin' ny taona 1863. Niova anarana ho ''Messiah's Herald'' ("Mpitondra hafatry ny Mesia") io lahatsoratra io taty aoriana. ==== Ny Life and Advent Union ==== Ny [[Life and Advent Union]] ("Fiainana sy Firaisan' ny Advento") dia naorin' i George Storr tamin' ny taona 1863. Nanoratra ny ''The Bible Examiner'' ("Ny Mpandinika ny Baiboly") izy tamin' ny taona 1842. Nitambatra tamin' ny Adventist Christian Church izy tamin' ny taona 1964. ==== Ny Advent Christian Church ==== Ny [[Advent Christian Church]] ("Fiangonana Kristianan' ny Advento") dia niorina tamin' ny fomba ôfisialy tamin' ny taona 1861 ka nitombo haingana tamin' ny voalohany. Nisy fihenana kely izy nandritra ny taonjato faha-20. Namoaka gazetiboky efatra izy dia ny ''The Advent Christian Witness'' ("Ny Vavolombelona Kristianan' ny Advento"), ny ''Advent Christian News'' ("Vaovaon' ny Kristianan' ny Advento"), ny ''Advent Christian Missions'' ("Famitana iraka Kristianan' ny Advento") ary ny ''Maranatha'' ([[Fiteny arameana|teny arameana]] midika hoe "Tonga ny Tompontsika"). ==== Ny Seventh-day Adventist Church ==== Ny [[Seventh-day Adventist Church]] ("[[Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito]]") dia niorina amin' ny fomba ôfisialy tamin' ny taona 1863. Aminy dia ny [[Sabatarianisma|Sabatan' ny Andro Fahafito]] no andro masina hivavahana amin' Andriamanitra. Namoaka ny ''Adventist Review'' ("Gazety Adventista")'','' sy ny ''Kids Review'' ("Gazetin' ny Ankizy")'','' ary ny'' Sabbath Herald'' (“Mpitondra hafatry ny Sabata”) izy. Lasa nitombo nanenika an' izao tontolo izao izy sady manana tambajotra lehibe momba ny fitsaboana sy ny fanabeazana. Io fiangonana io koa no tena fantatra eto [[Madagasikara]] izay fantatra amin' ny anarana hoe [[Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito eto Madagasikara|Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito]]. Tsy nikambana na amin' ny iray amin' ireo fiangonana ireo i [[William Miller|Miller]] fa nandany ny androm-piainany tamin' ny fiezahana hampiray azy ireo talohan' ny taona 1849 izay nahafatesany.
Ambangovangony:
Rehefa mitahiry ny fanovana nataonao ianao dia manaiky ny
Fepe-pampiasana
, ary manaiky ny hamela ny fandraisan'anjaranao araka ny
fahazoan-dalana CC BY-SA 4.0
ary ny
GFDL
. Manaiky ihany koa ianao fa fampatsiahivana ampy ny fametrahana URL mankany amin'ny pejy niaviana.
Aoka ihany
Fanoroana
(sokafy anaty takila hafa)