Location via proxy:
[ UP ]
[Report a bug]
[Manage cookies]
No cookies
No scripts
No ads
No referrer
Show this form
Aller au contenu
Menu principal
Menu principal
déplacer vers la barre latérale
masquer
Fikarohana
Fandraisana
Wikipedia finday
Pejy rehetra
Pejy vaovao
Takelaka kisendra
Fikambanana
Toerana iraisana
Toerana iombonana
Non-malagasy speakers
Handray anjara
Fampidirana
Fiovana farany
Ny vaovao
Handefa takelaka
Kianjam-pasika
Fanoroana sy fitsipika
Renipejy
Fototra dimy
Fanamboarana takelaka
Tadiavo
Tadiavo
Fanomezana
Apparence
Hamorona kaonty
Hiditra
Fitaovana manokana
Hamorona kaonty
Hiditra
Pages pour les contributeurs déconnectés
en savoir plus
Fandraisan'anjara
Pejin-dresaka
Fanovana
Gengis Khan
(fizarana)
Ajouter des langues
Lahatsoratra
dinika
Malagasy
Hamaky
Ovaina
Hanova ny fango
Hijery ny tantara
Fitaovana
Outils
déplacer vers la barre latérale
masquer
Actions
Hamaky
Ovaina
Hanova ny fango
Hijery ny tantara
Général
Pejy mirohy eto
Novaina
Handefa rakitra
Pejy manokana
Fampahalalana mikasika ny pejy
Obtenir l'URL raccourcie
Télécharger le code QR
Zavatra Wikidata
Amin'ny tetikasa hafa
Apparence
déplacer vers la barre latérale
masquer
Fampitandremana :
Tsy niditra tamin'ny kaontinao ianao. Ho hitan'ny vahoaka ny adiresy IP-nao raha manova inona na inona ianao. Raha
miditra amin'ny kaontinao
ianao dia ho anisan'ny tombontsoa anananao ny fanaovana ny fiovana amin'ny solonanaranao.
Fanamarinana anoherana ny spam.
Aza
fenoina ity!
== Mpanorina sy mpanitatra ny fanjakana môngôly == === Mpanorina === Teraka tany akaikin’ ny Farihy Baikal (any [[Rosia]] ankehitriny) i Temüjin, izay fantatra amin’ ny anarana hoe Gengis Khan, zanak’ i Yesugei Ba’atur, izay voalaza fa lehiben’ ny foko matanjaka iray tany atsimo amin’ i [[Môngôlia]]. Kamboty mbola kely i Temüjin izay, teo amin' ny faha-15 taonany, nanompo an' i Toghril Khan, lehiben’ ny Kereita. Nampiseho fahaiza-manao ara-miaramila mialoha ny fotoana izy, izay nandresy ny Naimàna sy ny Merkita ary ny [[Tatara (vahoaka)|Tatara]], ary namory foko maro, izay nifidy azy ho andriamanjaka. Avy eo izy dia nivadika nanohitra an' i Jamuqa, lohan’ ny ny fikambanan’ ny foko maro izay nankahala azy, ary nanohitra koa an' i Toghril Khan: nalainy ho azy ny tanin’ ny Kereita tamin' ny taona 1203 ary nampamonoiny i Jamuqa tamin' ny taona 1205. Tamin' ny taona 1206 i Temüjin dia nanao ny tenany ho tompon' i Môngôlia saika manontolo. Tamin’ io taona io ihany, nandritra ny fiaraha-misakafo nampivondrona ny lohan’ ny foko rehetra, dia nanambara ny tenany ho "Gengis Khan" izy, lehiben’ ny [[Môngôly (vahoaka)|foko môngôly]] sy ny [[Tatara (vahoaka)|foko tatara]] maro natambany, ary nanangana ny Fanjakana Môngôly sy nifidy ny tanànan' i Karakorom ho renivohiny. === Fanitaran-mpanjakana tany Atsinanana Indrindra === Nanomboka ny fakany ny tanin’ ny fanjakà-mpanjaka manodidina ny empirany ilay khan, nanomboka tamin' ny faritra avaratra amin' i [[Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina|Sina]] izany. Tamin' ny taona 1209 dia nampanaiky ny fokon' ny Ksi-Ksia tao [[Gansu]] izy ary, tamin' ny taona 1211 dia nanafika, tany atsimo sy tany andrefana, faritra nofehezin' ny tarana-mpanjaka Jin (na Tsin) an' ny Djurchets (1115-1234) izy. Tsy maintsy nampifanaraka ny paikadiny amn’ ny zava-misy sy nanao ady misy fahirano izy avy eo. Tsy nijanona izany raha tsy tonga any amin' ny Saikanosin’ i Shantung. Tamin’ ny taona 1215, dia azon' ny tafika notarihiny ny tanànan' i Yanjing (i Pekin ankehitriny), ilay tanàna mimanda farany an’ ny Jin sy renivohiny lehibe, izay norobainy nandritra ny iray volana. Tamin' ny taona 1218, ny Saikanosy Kôreana dia lasan' ny [[Môngôly (vahoaka)|Môngôly]]. Tamin' ny taona 1217 i Gengis Khan dia nanana andian-tafika sinoa nampiasa tafondro izay nentiny nandresy ny tanàna mimanda maro tsy dia voalamina tsara sy tsy dia manam-piadiana maro mihoatra ny an' i Sina. Nankininy amin' ny iray amin' ny mpanara-dia azy, atao Muqali, ny fanohizana ny fanafihana hakana an' i Sina, fa izy kosa nanokana ny tenany ho amin' ny faritra andrefana. === Fanitaram-panjakana tany Azia Afovoany === Tamin' ny taona 1219, noho ny famonoana ny iraka avy amin' ny empirany - nisy mpivarotra silamo vitsy mantsy niasa ho mpiantoka ny fifandraisana amin' ny fanjakana hafa - dia nanafika an' i Khorezm i Gengis Khan, izay empira tiorka midadasika nahafaoka ny tanim-pirenen' i [[Iràna]] sy [[Iràka]] amin' izao fotoana izao. ary ny tapany andrefana amin’ i [[Torkestàna]]. Nandroba sy namono izy, ary niditra an-tsokosoko tao Torkestàna sady nandrava, niaraka tamin' ny tafika nentiny, an' i Otrar (1219), an' i [[Bukhara]] (1220), an' i [[Samarkand]] (1220) ary an' i Urgench (1221), ka nahatonga azy halaza ratsy ho mpanao habibiana tafahoatra. Tany amin’ ny faritra avaratra amin’ i [[India]] sy i [[Pakistàna]] ankehitriny, dia resin’ ny Môngôly ny tanànan’ i Peshawar sy ny tanànan’ i Lahore ary ny tanàna ambanivohitra manodidina. Nandritra izany fotoana izany, ny jeneraly roa Jebe sy Subutaï dia nitarika diabe fanafihana tamin' ny 1222, amin’ ny nanodidina ny [[Ranomasina Kaspiana]]. Nodorany ny tanàna ary novonoiny ny mponina tao amin’ ny faritra manomboka amin' ny ony Volga ka hatrany amin' ny ony Dnieper, ary avy any amin' ny [[Hoala Persika]] ka hatrany amin' ny [[Ranomasimbe Arktika]]. Tamin' ny taona 1226 dia niverina any atsimo i Gengis Khan mba hampitsahatra ny fikomian' ny Ksi-Ksia, saingy maty tamin' ny 18 Aogositra 1227 izy, angamba noho ny fianjerany avy amin’ ny soavaly nitaingenany. Rehefa maty izy dia nizara tamin’ ny zanany telo lahy ny [[Empira Môngôly]].
Ambangovangony:
Rehefa mitahiry ny fanovana nataonao ianao dia manaiky ny
Fepe-pampiasana
, ary manaiky ny hamela ny fandraisan'anjaranao araka ny
fahazoan-dalana CC BY-SA 4.0
ary ny
GFDL
. Manaiky ihany koa ianao fa fampatsiahivana ampy ny fametrahana URL mankany amin'ny pejy niaviana.
Aoka ihany
Fanoroana
(sokafy anaty takila hafa)
anaty sokajy nasitrika 1 ity pejy ity
Sokajy:Pages avec des arguments non numériques dans formatnum