Location via proxy:
[ UP ]
[Report a bug]
[Manage cookies]
No cookies
No scripts
No ads
No referrer
Show this form
Aller au contenu
Menu principal
Menu principal
déplacer vers la barre latérale
masquer
Fikarohana
Fandraisana
Wikipedia finday
Pejy rehetra
Pejy vaovao
Takelaka kisendra
Fikambanana
Toerana iraisana
Toerana iombonana
Non-malagasy speakers
Handray anjara
Fampidirana
Fiovana farany
Ny vaovao
Handefa takelaka
Kianjam-pasika
Fanoroana sy fitsipika
Renipejy
Fototra dimy
Fanamboarana takelaka
Tadiavo
Tadiavo
Apparence
Fanomezana
Hamorona kaonty
Hiditra
Fitaovana manokana
Fanomezana
Hamorona kaonty
Hiditra
Pages pour les contributeurs déconnectés
en savoir plus
Fandraisan'anjara
Pejin-dresaka
Fanovana
Okraina
(fizarana)
Ajouter des langues
Lahatsoratra
dinika
Malagasy
Hamaky
Ovaina
Hanova ny fango
Hijery ny tantara
Fitaovana
Outils
déplacer vers la barre latérale
masquer
Actions
Hamaky
Ovaina
Hanova ny fango
Hijery ny tantara
Général
Pejy mirohy eto
Novaina
Handefa rakitra
Pejy manokana
Fampahalalana mikasika ny pejy
Obtenir l'URL raccourcie
Télécharger le code QR
Amin'ny tetikasa hafa
Zavatra Wikidata
Apparence
déplacer vers la barre latérale
masquer
Fampitandremana :
Tsy niditra tamin'ny kaontinao ianao. Ho hitan'ny vahoaka ny adiresy IP-nao raha manova inona na inona ianao. Raha
miditra amin'ny kaontinao
ianao dia ho anisan'ny tombontsoa anananao ny fanaovana ny fiovana amin'ny solonanaranao.
Fanamarinana anoherana ny spam.
Aza
fenoina ity!
==== Ny Revôlisiôna Volomboasary ==== [[Sary:Morning first day of Orange Revolution.jpg|vignette|Ny [[Revôlisiôna Volomboasary]] tamin' ny taona 2004.]] Ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin' ny fararanon’ ny taona 2004 dia niteraka fahasahiranana ara-pôlitika lehibe, taorian' ny nanambaràna ho mpandresy tamin' ny fihodinana faharoa ny kandidàn' ny fitondrana, dia ny praiminisitra [[Viktor Yanukovych]], na dia teo aza ny hetsi-panoheran' ny mpanohitra sy ny fanamarihan' ny mpanara-maso iraisam-pirenena — indrindra ny an' ny [[Fikambanana ho an' ny Fiarovana sy ny Fiaraha-Miasa ao Eorôpa]] ([[Fiteny frantsay|frantsay]]: ''Organisation pour la sécurité et la coopération en Europe'' - OSCE). Teraka ny hetsika nitondra ny anarana hoe "[[Revôlisiôna Volomboasary]]" (okrainiana: Помаранчева революція / ''Pomarancheva revoliutsiia''), mampiseho am-pilaminana ny fanohanany ny kandidàn' ny antoko mpanohitra, [[Viktor Yushchenko]]. Noho ny fitokonana an-dalambe sy ny fanaren' ny [[fianakaviambe iraisam-pirenena]] (notarihin' ny [[Vondrona Eorôpeana]] sy i [[Etazonia]]), ary manohitra ny fiokoan' ny [[Rosia|Rosiana]] mpifanolo-bodirindrina, dia nanambara ny Fitsarana Tampony fa tsy manan-kery ny latsa-bato noho ny halehiben' ny hosoka ary nanome baiko ny hanaovana fifidianana fihodinana faharoa vaovao. Ity krizy pôlitika goavana ity dia nanasongadina ny fahasamihafana misy eo amin' ny faritra andrefana amin' i Okraina mpomba ny [[Tontolo Tandrefana|Tandrefana]], sy ny ilany atsinanana [[Fiteny rosiana|miteny rosiana]] sady mankasitraka an' i Viktor Yanukovych. Nisy fifidianana vaovao natao tamin' ny Desambra 2004, izay nadresen’ i Viktor Yushchenko tamin' ny 52 % tamin' ny vato, raha 77 % kosa ny taham-pahavitrihana. Nandefa antso avo i Viktor Yanukovych, saingy nametra-pialana tamin' ny maha praiminisitra azy andro vitsivitsy taty aoriana, sady tsy nanaiky ny fahareseny. Ny filoha vaovao dia nikasa ny hampihatra pôplitika tsy mitovy amin’ ny teo alohany, voalohany indrindra amin’ izany ny ady amin’ ny [[kolikoly]]. Ilay lohan' ny "Revôlisiôna Volomboasary", [[Yulia Tymoshenko]], dia voatendry ho praiminisitra. [[Sary:Yulia Tymoshenko 2018 Vadim Chuprina.jpg|vignette|172x172px|[[Yulia Tymoshenko]]]] [[Sary:Yuriy Yekhanurov 2013.jpg|vignette|162x162px|[[Yuriy Yekhanurov]]]] Ny governemanta okrainiana vaovao dia nanatanteraka ny fifindrana mankany amin' ny [[Toekarena mifototra amin' ny tsena|toekarena fehezin-tsena]] izay ilaina amin' ny fampidirana azy ao amin’ ny [[Vondrona Eorôpeana]] (ao anatin' izany ny famindrana ny orinasam-panjakana ho an’ ny tsy miankina) ary niezaka ny hanafaka ny firenena amin' ny fiahiana rosiana. Na izany aza, nanomboka tamin' ny lohataonan' ny 2005 dia nisy ny "[[Ady momba ny Etona eo amin' i Rosia sy i Okraina|Ady momba ny Etona]]", nataon' i Rosia, nefa tena niankin-doha tamin' ny Rosiana i Okraina noho ny fanafarana [[angovo]], ka izany dia nanaporofo fa sarotra ho an' i Okraina ny fanavaozana ny fifandraisany amin' i Rosia sy ny fitadiavany toerana eo amin' ny sehatra iraisam-pirenena. Ankoatra izay dia niharatsy ny toe-draharaha ara-tsôsialy sy ara-toekarena sady nihamalemy haingana ny Revôlisiôna Volomboasary noho ny fisaratsarahana sy ny fifampiampangana [[kolikoly]]. Tamin' ny Septambra 2005 dia nandrava governemanta ny filoha Yushchenko ka notendrena ho praiminisitra ilay mpahay toekarena atao hoe [[Yuriy Yekhanurov]], izay nankatoavin' ny Antenimiera taorian' ny fifanarahana tamin' ny mpanohitra, ary tonga dia nitsidika tany [[Rosia]] izy mba hampitony ny disadisam-pifandraisana eo amin' ny firenena roa tonta. Nandritra ny fifidianana solom-bavam-bahoaka tamin' ny Marsa 2006 dia niaritra fahasahiranana lehibe ny filoha Yushchenko. Nahazo latsaky ny 14 % monja tamin' ny vato (izany hoe 81 amin' ny toerana 450 ao amin' ny Antenimiera) ny antoko ''Okrainantsika'' izay lasa laharana fahatelo aorian' ny Antokon' ny Faritra (okrainiana: Партія регіонів / ''Partija rehioniv'') an’ i [[Viktor Yanukovych]] (32,1 %n' ny vato sy toerana 186) sy ny Vondrona Yulia Tymoshenko ([[Fiteny okrainiana|okrainiana]]: Блок Юлії Тимошенко, БЮТ / ''Blok Yuliyi Tymoshenko,'' BYuT) (22,3 %n' ny vato sy toerana 129) - nahazo toerana 33 ny Sôsialista ary 21 kosa ny Kôminista. Naharitra volana maromaro ny fifampiraharahana sy ny famerenana ny firaisankina vao izay tanteraka ny fananganana ny governemanta iraisana eo amin' ny Antokon' ny Faritra sy ny Sôsialista, tamin' ny volana Aogositra, governemanta izay notarihin' i Viktor Yanukovych, mpifanandrina aminy taloha. Noravan’ ny filoham-pirenena ny Antenimiera taorian' ny fifandonana teo amin' ny governemantan' ny maro anisa nandritra ny volana maromaro. Nandresy tamin’ ny fifidianana vaovao nifanesy tamin' ny Septambra 2007 ny Antokon' ny Faritra, izay teo alohan' ny Vondrona Yulia Tymoshenko nanana ny maro anisa tamin' ny fiarahany amin' ny Okrainantsika. Voatendry ho praiminisitra i Yulia Tymoshenko.
Ambangovangony:
Rehefa mitahiry ny fanovana nataonao ianao dia manaiky ny
Fepe-pampiasana
, ary manaiky ny hamela ny fandraisan'anjaranao araka ny
fahazoan-dalana CC BY-SA 4.0
ary ny
GFDL
. Manaiky ihany koa ianao fa fampatsiahivana ampy ny fametrahana URL mankany amin'ny pejy niaviana.
Aoka ihany
Fanoroana
(sokafy anaty takila hafa)