Location via proxy:   [ UP ]  
[Report a bug]   [Manage cookies]                
Aller au contenu

Kofehy

Avy amin'i Wikipedia
Kofehy

Ny kofehy dia tsiraka mifamatotra, lava sy mitohy, ampiasaina amin' ny fanjairana, ny fanaovana ba, ny fanenomana, ny peta-kofehy, fanamboarana tady ary famokarana lamba. Mety ho nasiana savoka na fandamana hafa ny kofehy fanjairana môderina mba hanoherana ny fahasimbany mandritra ny fanjairana. Ny kofehin' amboradara (petakofehy) dia kofehy manokana ho an' ny asa atao amin' ny fanjaitra. Ny kofehy dia azo amboarina amin' ny akora voajanahary na sentetika, ary miseho amin' ny loko sy hatevina isan-karazany. Na dia mety holokoina amin' ny loko samihafa aza ny kofehy, ny ankamaroan' ny kofehy dia miloko ranoray.

Ny akora ampiasaina amin' ny fanamboarana kofehy ho an' ny indostrian' ny lamba dia: ny landihazo, ny volonondry, ny volon-tsoavaly, ny rongonimbazaha, ny rongony, ny landy, ny fingotra, ny plastika, ny fitaratra, ny volamena, ny volafotsy, sns.