Location via proxy:   [ UP ]  
[Report a bug]   [Manage cookies]                
Aller au contenu

Kongona

Avy amin'i Wikipedia
Kongona
Ixodida
kongona lahy lehibe
kongona lahy lehibe
fanjakàna ara-piainana : Animalia
ratsana : Arthropoda
sokajy : Arachnida
Zana-tsokajy : N.C
Kilasy : Anactinotrichida


Ny kongona dia bibikely, karazana araknida katsentsitra valo tongotra, ao amin' ny filaharana Ixodida, mivelona amin' ny ran' ny zavamananaina. Anisan' ny renilaharana Parasitiformes izy ireo. Manodidina ny 3 ka hatramin' ny 5 mm eo ho eo ny halavan' ny kongona efa lehibe, arakaraka ny faharetan' ny fotoana niainany, ny maha lahy sy ny maha vavy azy, ny karazany ary ny fahavokisany. Katsentsitra ivelany ny kongona, miaina amin' ny fihinanana ny ran' ny biby mampinono, ny vorona, ary indraindray ny biby mandady sy mikisaka sy sahona ary ny biby mitovitovy amin' ny sahona. Tsy fantatra mazava ny fotoana niandohan' ny fisian' ny kongona, na dia tamin' ny vanim-potoana kretasea, manodidina ny 100 tapitrisa taona, aza ny fôsilin-kongona tranainy indrindra fantatra. Miparitaka eran-tany ny kongona, indrindra amin' ny faritra manana toetany mafana sy mando.

Ixodes ricinus, anisan' ny kongona mafy (Ixodidae)
Otobius megnini, anisan' ny kongona malemy (Argasidae)

Mitsinjara amina fianakaviana roa lehibe ny kongona, dia ny Ixodidae na kongona mafy, sy ny Argasidae, na kongona malemy.

Nuttalliellidae

Ny Nuttalliella, izay vondron-karazana kongona any amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika, no hany ao amin' ny fianakaviana Nuttalliellidae, ireo no taranaka tranainy indrindra mbola velona amin' ny kongona. Manana vatana kiboribory miendrika atody na poara izay iangonan' ny ra ny kongona efa lehibe rehefa misakafo. Mitambatra tanteraka ny lohany sy ny tratrany ary ny kibony. Ankoatra ny fisian' ny toa ampinga mafy eo amin' ny lamosiny dia eo anoloana ny vavan' ny kongona mafy, fa ny an' ny kongona malemy kosa dia eo ambanin' ny vatany. Mahita ny biby hafa mety azony tsentsefina ("mpampiantrano") ny kongona amin' ny alalan' ny fahenoany fofona, ny hafanan' ny vatan' ny biby hotsentsefiny, ny hamandoana sy/na fihovitrovitra eo amin' ny manodidina.

Mizara ho dingana efatra ny tsingerim-piainan' ny kongona, dia ny atody, ny olitra, ny monany ary ny fahalehibeazany. Mamita ny tsingerim-piainany ao amin' ny biby mpampiantrano iray na roa na telo ny kongona ao amin' ny fianakaviana Ixodidae. Ny kongona ao amin' ny fianakaviana Argasidae kosa dia mandalo dingana hatramin' ny fito mandritra ny maha monany azy, ka ny tsirairay amin' ireo dingana ireo dia mitaky fitsentsefana ra, ka noho izany, ny kongona ao amin' io fianakaviana io dia mandalo tsingerim-piainana ao amina mpampiantrano maro. Noho izy ireo mihinana ra dia mitondra aretina maro mpahazo ny olona sy ny biby hafa ny kongona.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]