Silia
I Silia na Silỳ dia firenena ao Amerika Atsimo. Ny renivohiny dia i Santiago. Espaniola ny fiteny ôfisialy. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 756 950 km2 ny velaran-taniny ary miia 17 574 003 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2017. Ny faritr' ora dia −4 sy −6.
Lava be ny tanim-piren' i Sily: mirefy 4 300 km any ho any avy any avaratra ka hatrany atsimo, manaraka ny Ranomasimbe Pasifika, nefa 200 km eo ho eo ny sakany.
Firenena be tendrombohitra i Sily: ny tandavan-tendrombohitra Andes izay lava dia lava no mibahan-toerana ao aminy. Mamakivaky ilay firenena manontolo, ity tandavan-tendrombohitra ity, manomboka any amin' ny Lembalemba Bôliviana any avaratra ka hatrany Tierra del Fuego (na Terre de Feu) any atsimo. Ny tapany avaratr' ilay firenena dia misy lembalemba midadasika ahitana tendrombohitra maro mihoatra ny 6 100 m (i Ojos del Salado no tendro avo indrindra ao amin' ilay firenena, izay manana hahavo 6 880 m). Ity faritry ny lebalemba ity dia anjakan' ny Taniefitr' i Atacama. Ao afovoany ny Lohasaha Afovoany izay misy ny faritra fambolena any Sily. Mifanila amin' ny nosy maromaro ny morontsiraka.
Misy karazana toetany telo ilay firenena: toetany maina any avaratra (ao amin' ny Taniefitr' i Atacama), sy toetany mediteraneana ao afovoany, ary toetany antonony an-dranomasimbe any atsimo. Amin' ny ankapobeny dia antonony ny maripana noho ny fisian' ny ny ranomasimbe.
Maherin' ny 90 %-n' ny mponin' i Sily no safiotra (taranaky ny voanjo espaniôla sy ny Amerindiana). Katôlika ny ankamaroan' ny mponina. Anisan' ireo firenena be mponina indrindra any Amerika Latina i Sily: ny 90 % amin' ny mponina dia monina any amin' ny faritra afovoany izay misy an' i Santiago renivohitra.
Mifototra indrindra amin' ny fitrandrahana sy fanondranana varahina ny toekaren' i Sily. Mivangongo ao amin' ny Lohasaha Afovoany ny ankamaroan' ny asa momba ny fambolena. Mitana anjara toerana lehibe ny famokarana voankazo: hita ao ny voaloboka, ny karazana voatavo, ny paoma, ny paiso, ny abrikô, ny paisom-bazaha ary ny serizy. Mpamokatra divay lehibe koa ilay firenena. Miompy ondry ny mponina any amin' ny tapany atsimon' ilay firenena.
I Sily koa dia ahitana indostria lehibe indrindra momba ny jono any Amerika Atsimo. Manana fahafaha-mamokatra herinaratra be dia be ilay firenena, noho ny fisian' ny ony faingam-pandeha maro midina avy any amin' ny tandavan-tendrombohitra Andes sy ny tandavan-tendrombohitra amin' ny sisin-dranomasina.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Firenena ao Amerika: Antigoa-sy-Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity -Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa-Kity-sy-Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite-sy-Tôbagô -Venezoela
- Kôntinenta eto an-tany: Afrika - Amerika (Amerika Avaratra - Amerika Atsimo) - Azia - Eorôpa - Ôseania - Antarktika