Location via proxy:   [ UP ]  
[Report a bug]   [Manage cookies]                
Aller au contenu

Sokay (akora)

Avy amin'i Wikipedia
Vovoka sokay

Ny sokay dia akora mivaingana, karazam-bato malemy mora misaratsaraka, fotsifotsy, azo anaovana feta hatao fandalorana na handitiana ny vato arafitra.

Azo amin' ny alalan' ny fandoroana ny vatosokay sy ny endrika hafan' ny karibônetra-na kalsiôma ny sokay. Vita amin' ny ôksida-na kalsiôma (CaO) ny sokay madio. Misy loto toy ny ôksida-na viraty, vy, silisiôma ary maneziôma ny vokatra alefa eny amin' ny tsena amin' ny ankapobeny. Mamoaka hafanana be dia be ny sokay karakaraina amin' ny rano ary miova ho hidirôksida-na kalsiôma, amidy amin' ny endrika vovoka fotsy, atao ahoe sokay maty.

Toeram-pitrandrahana vatosokay any Brønnøy, Nôrvezy

Ampiasaina amin' ny fanomanana ny simenitra sy ny feta, ary koa hanalefahaba na hanalana ny asidra amin' ny tany fambolena ny sokay. Ampiasaina amin' ny fanamboarana taratasy, fitaratra, fandokoana fotsy (rononon-tsokay), amin' ny fikarakarana hodi-biby, fanadiovana siramamy ary fanalefahana ny rano koa ny sokay.

Ampiasaina indrindra amin' ny fitsaboana ho odiasidra ny ranon-tsokay, izay tsora alkalinin' ny sokay maty anaty rano, mba hanafoana ny fanapoizinana sy amin' ny fitsaboana ny fahamaizana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]