Al-Biruni
Al-Biruni | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Al-Biruni | ||
Teraka | 5 Septambra 973 | ||
Maty | 19 Desambra 1048 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Asa : | |||
Fiainana manokana | |||
Al-Biruni dia filôzôfa, mpahay matematika, mpahaikintana persana. Ny anarany feno dia Abū l-Rayḥān Muḥammad ibn Aḥmad al-Bīrūnī (amin' ny fiteny persana: ابو الریحان محمّد بن احمد البیرونی, Abû l-Rayhân Muhammad ibn Ahmad al-Bîrûnî). Teraka tamin' ny 4 Septambra na 15 Septambra 973 tao Kath, Khwarezm (Iràna Lehibe sy Ozbekistàna ankehitriny), ary maty tamin' ny 13 Desambra 1048, na manodidina ny 1052 tany Ghazni (Afganistàna ankehitriny) izy, fantatra amin' ny anarana hoe Al-Bīrūnī na Abu-Rihān.
Anisan' ny manam-pahaizana lehibe indrindra amin' ny Tontolo Mozilmana tamin' ny Andro Antenatenany izy, sady mmahay fizika, mpanoratra raki-pahalalana, mpanandro, mpadeha lavitra, mpahay tantara, mpahay momba ny fanafody fitsaboana ary mpanabe. Nandray anjara betsaka tamin' ny sehatry ny matematika, filôzôfia, ny fitsaboana ary ny siansa izy. Fantatra tamin' ny fandalinana ny tsangan-kevitra momba ny fihodinan' ny Tany manodidina ny teza sy ny fihodinany manodidina ny Masoandro izy.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Ao amin'i Freebase: [1]