Location via proxy:   [ UP ]  
[Report a bug]   [Manage cookies]                
Aller au contenu

Bokin' i Ezra

Avy amin'i Wikipedia
Fanamboarana indray ny Tempoly, nataon' i Gustave Doré, 1866.

Ny Bokin' i Ezra na Bokin' i Esdrasa dia boky ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly kristiana. Mitantara ny fiverenan’ ireo Jiosy babo an-tanidrazana voalohany avy any Babilôna, ny nahavitana ny Tempoly vaovao ao Jerosalema, ny iraka notanterahin’ i Ezra tao Jerosalema ary ny ezaka nataony hanadiovana ireo Jiosy (na Jody) nanambady vehivavy tsy Jiosy ny Bokin' i Ezra. Mampiseho ny fomba nampihamatanjaka ny rafitry ny fivavahana jiosy niforona nandritra ny Fahababoana, dia ny sinagôga, ny famakiana ny Bokin' ny Lalàna sy ny Bokin' ny Mpaminany, ny mpanoradalàna, ny Sinedriona (na Sanedrina), sns koa io boky io.

Ny fanoratana ny boky

[hanova | hanova ny fango]

Ny mpanoratra

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny lovantsofina dia i Ezra (na Esdrasa) no nanoratra ity boky mitondra ny anarany ity. Jiosy babo tany Babilôna izay niverina an-taniny tao Jerosalema tamin' ny 428 tal. J.K. i Ezra. Nitana anjara lehibe teo amin’ ny fanavaozana ny fivavahana jiosy taorian' ny Fahababoana izy.

ny manam-pahaizana dia mihevitra fa nosoratan' olona iray ihany ny Bokin' ny Tantara roa sy ny Bokin' i Ezra ary ny Bokin' i Nehemia. Mihevitra koa izy ireo fa nanovo tamina loharano maro io mpanoratra io, izay atao hoe "ilay Mpitantara" (na "Krônista") indraindray, ka tokony ho anisan' izany ny raki-pitadidian' i Ezra sy ny tahirin-tsoratra tao amin' ny Tempoly.

Fotoana nanoratana

[hanova | hanova ny fango]

Mety tany amin' ny taona 399 tal. J.K. no nahavitan' ny boky tamin' ny voalohany, nefa nitohy ny fanitsiana izany taorian' io nandritra ny taonjato maro alohan' ny nidirany ho anisan' ny Soratra Masina ao amin' ny fivavahana kristiana[1]. Fara-fahatarany tamin' ny 300 tal. J.K no nahavitan' ny Bokin' i Ezra.

Nitambatra amina boky hafa

[hanova | hanova ny fango]

Tantara-Ezra-Nehemia

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny voalohany dia nitambatra ho boky tokana ny Bokin' i Ezra sy ny Bokin' i Nehemia ary ny Bokin' ny Tantara roa ka mety olona iray no nanoratra azy rehetra ireo. Mifarana amin' ny fitantarana ny fiafaran' ny Fahababoana tany Babilôna ny Bokin' ny Tantara, izay mamintina ny ampahany be amin' ny tantaran' ny Jiosy. Ny Bokin' i Ezra sy ny Bokin' i Nehemia kosa dia miresaka momba ny zato taona manaraka.

Ezra-Nehemia

[hanova | hanova ny fango]

Ny Bokin' i Ezra dia nitambatra tamin' ny Bokin' i Nehemia ka mirakitra ny tantaran' i Israely hatramin’ ny andron' i Adama. Izany no atao hoe Ezra-Nehemia. Tsy nanasaraka ny boky roa ny dikan-teny grikan' ny Baiboly jiosy atao hoe Septoaginta (na Septanta). Ny Volgata (latina: Vulgata), izay Baiboly amin' ny dikan-teny latina, dia nanasaraka azy ireo ka nanome anarana ny voalohany hoe Esdrasa I (na Ezra I) sy ny faharoa hoe Esdrasa II (na Ezra II).

Fizaràn' ny boky

[hanova | hanova ny fango]

Mizara roa ny Bokin' i Ezra:

Fizaràna voalohany (1 – 6)

[hanova | hanova ny fango]
Miantso ho amin' ny fanamboarana ny Tempoly i Ezrà, sary nataon' i Julius Schnorr von Karolsfeld

Ny fizaràna voalohany dia mitantara ny fiverenan' ny Jiosy (na Jody) avy any an-tsesitany sy ny fanamboarana ny Tempoly faharoa. Fotoana eo anelanelan' ny nitondran' i Kirôsy (na Sirosy) mpanjaka sy ny nanokanana ny Tempoly faharoa izany.

Didimpanjakana navoak' i Kirôsy (toko voalohany)

[hanova | hanova ny fango]

Nandefa ny fanaky ny Tempoly tany amin' i Sesbatsara, andrianan' i Jodà, i Kirôsy, izay nahazo tsindrimandry avy amin' Andriamanira, sady namela ny Israelita hody any Jerosalema miaraka aminy hanamboatra ny Tempoly. Miresaka ny amin' ny didim-panjakana nataon' i Kirôsy izay nanome alalana ny Jiosy hody any Jerosalema taorian' ny taona 538 tal. J.K. ilay boky.

Fodiana tany Jerosalema (toko faha-2)

[hanova | hanova ny fango]

Babo miisa 42 360, miaraka amin' ny mpanompony sy lehilahy amam-behivavy mpihira, no nody avy any Babilôna ho any Jerosalema sy Jodà teo ambany fitarihan' i Zôrôbabela (na Zerobabela) sy i Jôsoa (na Jôsoe) ilay mpisoron-dehibe. Misy ny lisitr' ireo nody io toko io.

I Jôsoa sy i Zôrôbabela nanamboatra ny alitara (toko faha-3)

[hanova | hanova ny fango]

Nanamboatra ny altara (na ôtely) ary nankalaza ny andron-danonan' ny Tabernakely i Jôsoa, ilay mpisoro-dehibe, sy i Zôrôbabela. Tamin' ny taona faharoa, dia voapetraka ny fanorenan' ny Tempoly ary nizotra tamin-kafaliana ny fanokanana. Manoritsoritra ny fanamboarana ny Tempoly, izay tsy voatantara antsipirianay afa-tsy ao amin’ ny Bokin' i Hagay (na Akjea) sy Zakaria, ity toko ity.

Taratasin' ny Samaritana tamin' i Artakserksesy (toko faha-4)

[hanova | hanova ny fango]

Te hanampy amin' ny fanamboarana ny Tempoly ny fahavalon' i Jodà sy i Benjamina, nefa tsy navela hanao izany. Noho izany dia nanao izay hanembantsembanana ny mpanamboatra ny Tempoly izy ireo. Nampahalala an-taratasy an' i Artakserksesy ny solom-panjaka tao Samaria fa andalam-pahavitana i Jerosalema, dia nandidy ny mpanjaka fa ajanona ny fanamboarana. Tsy nitohy ny asa raha tsy tamin' ny taona faharoa naha mpanjaka an' i Dariôsy.

Taratasy nalefan' i Tatenay tany amin' i Dariôsy (toko faha-5)

[hanova | hanova ny fango]

Noho ny famporisihana nataon’ ny mpaminany Hagay (na Akjea) sy Zakaria, dia nanomboka indray ny fanamboarana ny Tempoly i Zerobabela sy i Jôsoa. Nanoratra sy nampandre an' i Dariôsy i Tatenay, governoran' i Jodà sy Samaria, fa andalam-pahavitana ny Tempoly sady nanoro hevitra azy hitady ny tahirin-tsoratra mba hahitana ny didy nataon' i Kirôsy.

Didy nataon' i Kirôsy sy didy nataon' i Dariôsy (toko faha-6)

[hanova | hanova ny fango]

Hita ilay didimpanjakana notadiavina, ka nandidy an' i Atenay i Dariôsy mba tsy hanakorontana ny Jiosy amin' ny fanamboarana ny Tempoly. Nanampy azy ireo amin' ny zavatra ilaina amin' ny fanatira koa ny mpanjaka. Vita ny Tempoly tamin' ny fahenin-taona nitondran' i Dariôsy, ary niangona ny Israelita mba hankalaza izany fahavitany izany.

Fizaràna faharoa (7 – 10)

[hanova | hanova ny fango]
Mamaky ny Lalàna i Ezra, sary nataon' i Julius Schnorr von Karolsfeld

Miresaka ny amin' ny famitana iraka nataon' i Ezra (na Esdrasa), izay tsy inona fa fandaminana ny vahoaka jiosy miaraka amin' i Nehemia ity fizarana ity. Marihina fa miady hevitra ny manam-pahaizana ny amin' ny mpanjaka Artakserksesy izay resahina eto ka mahatonga ny fotoam-podian' i Ezra avy any Babilôna ho amin' ny taona 398 na 397 tal. J.K.

Taratasin' i Artakserksesy nalefa tamin' i Ezra (toko faha-7)

[hanova | hanova ny fango]

Nirahin' Andriamanitra handefa an' i Ezra ny mpanjaka Artakserksesy mba hanontany an' i Jodà sy i Jerosalema ny amin' ny lalàn' ny Andriamaniny sy hanendry mpahay lalàna sy mpitsara mba hitsara ny vahoaka monina eny ampitan' ny ony Eofrata, dia ireo izay mahafantatra ny lalàn' Andriamanitra. Nanome volamena maro an' i Ezra i Artakserksesy sady nanome toromarika ny manam-pahefana persiana mba hanampy azy.

Volamena sy volafotsy ary fanaka ho an' ny Tempoly (toko faha-8)

[hanova | hanova ny fango]

Namory ny mpiray tanidrazana aminy hody an-taniny i Ezra sady nanangona volamena sy volafotsy ary fanaka sarobidy maro ho entina any amin' ny Tempoly any Jerosalema. Hitany tamin' izay fa tsy nisy Levita tao ka nandefa iraka mba hamory azy ireo izy. Nody noho izany tany Jerosalema ny babo, ka ao izy no nizara ny volamena sy volafotsy ary nanao fanatitra amin' Andriamanitra. Omen' ity boky ity ny lisitr' ireo niara-dia amin' i Ezra.

Ny lehilahy Jiosy nanambady vehivavy jentilisa (toko faha-9)

[hanova | hanova ny fango]

Nisy nitantara tamin' i Ezra fa misy amin' ny Jiosy efa ao Jerosalema naka vady vehivavy tsy Jiosy. Nalahelo noho izany fahotana izany i Ezra ka nivavaka sady nifona tamin' Andriamanitra.

Fampodiana ny vehivavy tsy jiosy sy ny zanany (toko faha-10)

[hanova | hanova ny fango]

Niezaka nandresy lahatra ny vahoaka i Ezra mba hanary ireo vady jentilisa ireo ka na dia nisy aza ny sakantsakana nataon' ny Israelita sasany, dia niangona ny rehetra sady tapa-kevitra fa handroaka ny vady aman-janany izay tsy iray firazanana aminy.

Boky hafa mitondra ny anaran' i Ezra

[hanova | hanova ny fango]

Marihina fa misy boky apôkrifa na pseodepigrafa mitondra ny anaran' i Ezra (na Esdrasa) nefa fantatra fa tsy nosoratany. Miovaova ny anaran' ireo boky ireo sy ny laharana ahafantarana azy, dia ireo aseho anatin' ny fafana eto ambany miaraka amin' ny Bokin' i Ezara sy ny Bokin' i Nehemia.

Ny iantsoana azy ato amin’ny Wikipedia malagasy Anarana omen’ny mpikaroka Volgata Slavonika Etiopiana Anglisy
Bokin’i Esdrasa - 1Esdrasa 1Esdras 1Ezdra 1Izra Ezra
Bokin’i Nehemia - 2Esdrasa 2Esdras Nehemia Nehemiah
Esdrasa grika 3Esdrasa 3Esdrasa 3Esdras 2Ezdra 2Izra 1Esdras
4Esdrasa 5Esdrasa 5Esdrasa 4Esdras

(Esdrasa latina)

3Ezdra - 2Esdras
Apokalipsan’i Esdrasa 4Esdrasa Izra Sutuel

(ዕዝራ ሱቱኤል)

6Esdrasa 6Esdrasa -

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Boky ara-tantara prôtôkanônika:

Boky ara-tantara deoterôkanônika:

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Blenkinsopp, Joseph, Judaism, the first phase (Eerdmans, 2009) p. 87