Kôrinto tamin' ny Andro Taloha
I Kôrinto dia tanan-dehibe sady fanjakana tao amin' ny Andilan-tanin' i Kôrinto, andilan-tany mampitohy an'i Pelôpôneso (grika: Πελοπόννησος / Pelopónnēsos) amin' ny tapan' i Grisia eny amin' ny kôntinenta, eo anelanelan' i Atenay (grika: Ἀθῆναι / Athễnai) sy i Sparta (grika: Σπάρτη / Spártê). Atao hoe Κόρινθος / Kórinthos izy amin' ny teny grika. Ny tananan' i Kôrinto amin' izao andro izao dia hita eo amin' ny 5 km avaratra-atsinanan' ireo sisam-paharavana tranany. Hatramin' ny taona 1896 no mankaty dia nisy fikarohana arkeôlôjika nataon' ny American School of Classical Studies at Athens izay nahitana ny ampahany lehibe tamin' ilay tanàna tranainy, sy fisavana vao tsy ela akory nataon' ny Ministera grika momba ny kolontsaina izay nahitana zava-baovao araka arkleôlôjia tao amin' ilay tanàna.
I Kôrinto dia iray amin' ny tanàn-dehibe vitsy tany amin' ny Andro Taloha izay tsy nanao pôlitikam-panjakazakana (imperialisma). Ny nataony dia ny ny hampanan-karena azy tamin' ny alalan' ny raharaham-barotra sady niaro ny fahafahana tamin' ny fikendren' ny tanàna grika maro fahizay hanitatra ny fanjakazakany. Nanohitra ny zavatra tian' ny Makedôniana sy Akeana ary Rômana hatao aminy koa io tanàna io.
Taorian' ny nadravan' ny Repoblika Rômana azy tamin' ny taona 146 taor. J.K. dia nitsangana indray i Kôrinto tamin' ny andron' ny Empira Rômana sady nandroso noho ny fanjanahan-tany sy ny Pax Romana (Fandriapahalemana Rômana) talohan' ny tsy hahitana azy intsony tamin' ny fiafaran' ny tapany farany amin' ny Andro Taloha. I Kôrinto tamin' ny Andro Taloha dia isan' ireo tanàna lehibe indrindra sady nanana ny naha izy azy tany Grisia, ka nahitana mponina miisa 90 000 tany ho any tamin' ny taona 400 tal. J.K.
Tamin' ny taona 44 tal. J.K., ny Rômana dia nanorina tanàna vaovao teo amin' ny nisy ny tanàna taloha sady nanao an' izany tanàna izany ho renivohitry ny faritanin' i Grisia nandritra ireo taompolo manaraka.