Location via proxy:   [ UP ]  
[Report a bug]   [Manage cookies]                
Aller au contenu

Mpisoronaben' i Israely

Avy amin'i Wikipedia
Mpisoronabe ao amin' ny Masina Indrindra, sary tamin' ny taona 1890

Ny mpisoronabe dia anaram-boninahitra nentin' ny mpisorona tao amin' ny fivavahana israelita fahiny sy tao amin' ny jodaisma, hatramin' ny nisandratan' ny firenena israelita ka hatramin' ny nadravana ny Tempoly Faharoan' i Jerosalema tamin' ny taona 70 taor. J.K. Taranak' i Aarôna sahala amin' ny mpisorona rehetra ny mpisoronabe. Amin' ny teny hebreo dia atao hoe כהן גדול / kohen gadol na הַכֹּהֵן הַגָּדוֹל / ha'kohen ha'gadol, ny mpisoronabe.

Nandritra ny vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa dia anjara asan' ny mpisoronabe ny fisahanana ny maha filohan' ny Sinedriôna na Sanedrina azy. Nihamaivana izany andraikitra izany tamin' ny fifehezan' ny Rômana an' i Jodea (na Jodia) nanomboka tamin' ny taona 63 taor. J.K., avy eo ny asan' ny mpisoronabe dia nanjavona niaraka amin' ny faharavan' ny Tempoly Faharoa. Heverina fa nisy mpisoronabe miisa 18 nandritra ny vanimpotoan' ny Tempoly voalohany ary miisa 60 ny an' ny Tempoly Faharoa.