Location via proxy:   [ UP ]  
[Report a bug]   [Manage cookies]                
Aller au contenu

Nitira

Avy amin'i Wikipedia
Nitra voangona tany Tarapaca, any Sily (Amerika Atsimo)

Ny nitira na nitera na sirambato, dia akora mineralin' ny nitrata-na pôtasiôma, KNO3. Izy io dia mineraly malemy, fotsy, mora levona, hita indrindra amin' ny faritra manana toetany maina na anaty lava-bato. Ny nitra dia karazana mineraly tsy misy rano voaforon' ny katiônan' ny pôtasiôma sy ny aniônan' ny nitrata.

Ity mineraly madio tsy misy loko na manopy fotsy ity - manana hakitroka 2,2, marefo sy malemy, manana hamafy matetika latsaky ny 2 amin' ny mari-drefin' i Mohs, mangarahara sady majelatraa toy ny fitaratra. Ny nitra dia mamorona sosona manify eny ambonin' ny vatolampy sy ny rindrim-bato. Hita matetika any amin' ny faritry ny tany efitra, nefa koa hita amin' ny endrika toa ranomandry fotsy mitsofoka na hita amin' ny rindrina voaro amin' ny toetrandro ratsy amin' ny fanorenana sasany, eny amin' ny rindrin' ny efitra ambanin' ny tany na rindrin' ny lavabato maina, nefa mando tany aloha. Any Espaina sy Iràna sy Ejipta ary India no tena ahitana azy.

Nitra mangarahara sy mitsiratsiraka hita amin' ny rindrina

Iray amin' ny mineraly folo voasokajy ho nitrata fantatra indrindra izy io, anisan' izany ny nitrônatrita, ny nitramita, ny goihabaita, ny nitrômanezita, ny nitrôkalsita, ny nitrôbarita sns. Raha afangaro amin' ny zaka simika mampihena harefesina toy ny vovok' arina izy ka hafanaina dia mipoaka.

Ara-tantara, ny teny hoe nitera na nitra dia tsy voavaka tsara amin' ny hoa natrôna, izay voafaritra amin' ny fomba manjavozavo nefa amin' ny ankapobeny dia manondro ny fitambaran' ny sôdiôma na pôtasiôma amin' ny iôna karbônata na nitrata.

Ampiasaina hatao zezika, amin' ny fanamboarana fitaratra, ho fitehirizana sakafo ary atao fanafody mampamany. Nampiasaina tamin' ny fanamboarana vovoka balam-basy izy io, ary ankehitriny dia hita amin' ny fitaovana misy akora mipoaka, amin' ny afomanga sy amin' ny afokasoka. Ankoatra izany dia ampiasaina ho akora mpanamora fitsonihana amin' ny fandrendreham-by sady loharanon' azôta lehibe amin' ny fanamboarana zavatra mifangaro azôta, indrindra fa ny asidra nitrika. Izy io koa dia ampiasaina amin' ny indostria simika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]