Location via proxy:   [ UP ]  
[Report a bug]   [Manage cookies]                
Aller au contenu

Ranoka

Avy amin'i Wikipedia
Vera misy ranoka

Ny ranoka dia hanaka tsy hay giazina izay mifanaraka amin' ny endriky ny zavatra miaty azy nefa mitazona ny hadiriny tsy miankina amin' ny tsindry. Araka izany, izy dia iray amin' ireo toetra fototra efatra (ny hafa dia ny vainga, ny etona ary ny plasma), ary izy no toetra tokana manana hadiry voafaritra fa tsy misy endrika raikitra. Ny ranoka dia voaforon' ny poti-javatra kely mihetsiketsika, toy ny atôma, atambatry ny rohy mampifamatotra ny môlekiola. Toy ny etona dia afaka mikoriana ny ranoka ary maka ny endriky ny zavatra miaty azy. Ny ankabeazan' ny ranoka dia manohitra ny fangizana, na dia mety ho voageja aza ny hafa. Tsy toy ny etona, ny ranoka dia tsy miely hameno ny toerana rehetra ao anaty fitoeran-javatra iray, ary mitazona hakitroka tsy miovaova. Ny mampiavaka ny ranoka dia ny zitina eo amin' ny velarany ambony, izay mitarika hamandoana. Ny rano, hatreto, no ranoka fantatra indrintra eto an-tany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]