Location via proxy:   [ UP ]  
[Report a bug]   [Manage cookies]                

Ny saosy dia hoe taharon-tsakafo natao mba hampatsiro kokoa ny sakafo. Ny saosy voatabia no tena fampiasa matetika amin' ny nahandro malagasy. Misy koa anefa ny saosy hafa, toy ny saosy fotsy, saosy dipoavatra, sns.

Fiavian' ny teny hoe "saosy" sy heviny hafa

hanova

Avy amin' ny teny frantsay nohagasiana hoe "sauce" ilay teny gasy hoe saosy. Ampiasaina amin' ny heviny roa farafahakeliny izy io, dia ny "fangaro mampatsiro sakafo" sy ny "vola". Raha ny marina ny niavian' ilay hevitra faharoa dia tsotra: izay manao saosy dia olona manam-bola, noho izany dia saosy mira vola. Marihina fa ny tanora no tena mampiasa io fomba fiteny io.