Location via proxy:   [ UP ]  
[Report a bug]   [Manage cookies]                
Aller au contenu

Dihy

Avy amin'i Wikipedia
Tanora ogandey mandihy amin' ny fankalazana ara-kolontsaina ny fandriam-pahalemana

Ny dihy dia fihetsika ataon' ny vatana, izay hafa noho ny atao andavanandro, noho izy io manana lanjany ara-javakanto na heviny an' ohatra. Foronina eo no ho eo na nofantenina sy nomanina mialoha ny dihy. Matetika dia atao miaraka amin' ny mozika ny dihy, ary mety sady mandihy ny mpandihy no mampiasa zavamaneno. Misy tanjona sady arindra hanaraka gadona ary voavolavola hifanaraka amin' ny kolontsaina koa ny fihetsehana atao.

Mety ho andiam-pihetsehana voafaritra nefa tsy misy heviny manokana ny dihy, toy ny fahita amin' ny dihy eorôpeana nentim-paharazana, na mety ho fihetsika naka aingam-panahy avy amin' ny tandindona tsy ara-pivavahana na ara-pivavahana, indraindray mety ho karazana baiko moana, toy ny hita amin' ny dihy aziatika maro. Indraindray dia mety mikendry ny hitarika fahavarianam-panahy mihitsy aza.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]