Location via proxy:   [ UP ]  
[Report a bug]   [Manage cookies]                
Aller au contenu

Evina

Avy amin'i Wikipedia
Ny sary momba ny fikorianan' ny rivotra mandritra ny evina, fampitahana ny mievina tsy misaron-tava amin' ny fomba maro isan-karazany amin' ny fanakonana ny vava sy ny orony: tanana mihidy, tavy, fitaovana "mpamono kohaka", tampim-bava, ary saron-tava N95.
Fred Ott mievina
Fred Ott mievina

Ny evina na ny fievenana dia fandroahana rivotra avy amin' ny havokavoka amin' ny orona sy vava, matetika vokatry ny singa vahiny manorisory ny atiorina. Mamoaka rivotra an-keriny avy amin' ny vava sy ny orona ny evina amin' ny hetsika tsy fidiny ary mipoaka. Ity hetsika ity dia ahafahan' ny rehoka mivoaka amin' ny orona sy ny rora mivoaka amin' ny vava. Mety misy ifandraisany amin' ny fihetsehana tampoka amin' ny hazavana mamiratra (fantatra amin' ny hoe refleksa fievenana rehefa tratry ny hazavana), fiovana tampoka (midina) ny mari-pana, tsio-drivotra mangatsiaka, vavony fenobe, otrikaretina virosy na vovoka mahatohina. Noho izy io mety hampiely aretina amin' ny alalan' ny piti-drora na lelo na koa ny rivotra avoaka rehefa mievina, dia asaina manarona ny vava sy ny orona amin' ny sandriny, ny ao anatin' ny kiho, na mampiasa mosara ny olona rehefa mievina. Ho fanampin' ny fanakonana ny vava, ny fijerena ambany dia manova ny fiparitahan' ny vongan-drano ary hisorohana ny fifantohan' ny tsimokaretina amin' ny haavo isefoan'olona.

Ny asan' ny fievenana dia ny mandroaka ny lelo misy poti-javatra vahiny na mampangitikitika ary manadio ny lavak'orona. Mandritra ny fievinenana, ny lanilany malemilemy dia mikitroka raha miakatra ny lamosin' ny lela mba hanakatona ampahany amin' ny vava, ka manao vokatra Venturi (mitovitovy amin' ny carburateur) noho ny fitsipiky ny Bernoulli ka ny rivotra mivoaka avy ao amin' ny havokavoka dia haingana amin' ny alàlan' ny ny vava ary noho izany dia miteraka tsindry ambany ao ambadiky ny orona. Amin'izany fomba izany dia voatery miditra amin' ny alàlan' ny orona ny rivotra ary mivoaka avy ao amin' ny vava ny rehoka sy ny loto. Mamoaka rehoka amin' ny orona ny mievina amin' ny vava mihidy fa tsy soso-kevitra satria miteraka fanerena be ao amin' ny loha ary mety hanimba.

Tsy afaka mievina mandritra ny torimaso noho ny tsifahafaha-mihetsika vokatry ny REM, izay toetry ny vatana izay tsy hifohazan' ny môtônerônina ary tsy ahafahan' ny atidoha mandray ny famantarana refleksa. Mety hifoha amin' ny torimasony anefa ny fanairana avy any ivelany, fa izay mievina aorian'izay dia mifoha amin' ny ampahany kely indrindra.[1]

  1. "Sleep On, Sneeze Not" ("Matory, Aza Mievina"). A Moment of Science. Indiana University. Archived from the original on 23 February 2019. Retrieved 2019-02-21.