Fandoro fôsily
Ny Fandoro fôsily dia fandoro avy amin' ny vato lasa fôsily noho ny fotoana mandroso. Ny fôsily ny fatin' ny biby sy zavamaniry niaina teto ambon' ny tany lasa solitany, etona natoraly na arintany. Ny fandoro fôsily dia misy eto an-tany fa saingy izy vitsy ary tsy mihavao anatin' ny fiainan' ny olombelona.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Nandritra ny taonjato faha-20 sy faha-21, ny fampiasana ny fandoro fôsily dia nahafahan' ny fivoarana ara-taozava-baventy nitranga manerana ny tany. Noho izany, lasa fanamby ho an' ny olombelona sy ho an' ny taonjato faha-21 ny fanakelezana ny famoahana CO2. Tamin' ny taona 2000, ny 88 % amin' ny angôvo voalohany lany dia avy amin' ny fandoro fôsily. Ary 25 lavitrisa taonina CO2 isan-taona no lasa eny amin' ny soson-drivotra, ary izany dia avy amina loharano maro samihafa (indrindra ny fiarakodia).