Location via proxy:   [ UP ]  
[Report a bug]   [Manage cookies]                
Aller au contenu

Harena an-kibon' ny tany

Avy amin'i Wikipedia

Ny harena an-kibon' ny tany na harena ambanin' ny tany dia akora miangona voajanahary, izay mety ho vainga na ranoka na etona, ao ambanin' ny vohon' ny tany, izay miseho amin' ny endrika sy habetsaka ahafahana mitrandraka azy ho amin' ny fiharian-karena. Voatombana ihany ny sandan' ireo loharanon-karena ireo fa tsy hita fisiana manontolo. Ny tahirin-karena voaporofo fisiana dia ampahany amin' ny loharanon-karena izay sady fantatra ny toerana misy azy ao ambanin' ny tany no azo trandrahina ka hahitana tombony araka ny fepetra ara-kaitao sy ara-toekarena. Tsy fantatra kosa ny toerana misy ny tahirin-karena an-kibon' ny tany tsy voaporofo fisiana.

Miankina amin' ny mpihazaka maro momba ilay tahirin-harena ny fanombanana ny habetsahan' ny loharanon-karena ao amin' ny faritra iray, ka anisan' izany ny toerana misy azy, ny halaliny, ny habeny, ny endriny, ny toetra ara-mineraliny, ny hatsarany, ny hakitrokany, ny toetoetra ara-jeôlôjikany, ary ny elanelany amin' ny loharanon-karena akaiky azy. Raha momba ny solitany, ohatra, dia fantarina ny fatran-kiriky ny vato, ny fitsilolin' ny tsindry ary ny maripana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]